Fintin-dahatsoratra

Razafindratsima et al. 2025. Biotropica.

Ny varika dia karazana gidro tsy hita raha tsy amin’ny faritra voajanaharin’i Madagasikara. Nohon’ny fitokanan’ny nosy amin’ny faritra hafa dia misy karazana sy fomba fiaina ary fifampiankinana amin’ny rohivoahary samihafa izy ireo. Izany indrindra no manintona ireo mpikaroka sy mpisehatra amin’ny tontolo iainana avy amin’ny sampam-pikarohana sy fianarana samihafa handinika ny momba azy ireo. Nofintininay anatin’ity lahatsoratra ity ireo voka-pikarohana siantifika mahakasika ny varika tao anatin’ny taonjato iray mahery. Lahatsoratra nivoaka tamin’ireo karazana rakitra an-tsoratra sy gazety siantifika maneran-tany mahakasika ny varika, nanomboka ny taona 1900 no naravona eto. Lohahevitra maro no voarakitra tao amin’ireo nandritra izay 120 taona mahery izay, ary fahalalana tsy tambo isaina no nasongadin’ izany fikarohana izany, izay azo aravona anatin’ny hoe “Lemurology”. Hita taratra tamin’izany ihany koa ireo fanamby mbola mila atrehina amin’ny fitandrovana ny varika sy ny toeram-ponenany, ary indrindra ireo fepetra heverina ho mahomby sy tokony ho raisina haingana ho an’ny fiarovana azy ireo. Araky ny famakafakana ny literatiora siantifika maro izay natao teto, dia azo lazaina fa loharano feno ho an’ny mpikaroka, mpiaro ny tontolo iainana, ary mpanabe liana amin’ny fikarohana sy fiarovana ny varika ity lahatsoratra ity.

Fintina an-tsarin’ny lahatsoratra nataon’i Finaritra Randimbiarison.

Ramananjato et al. 2025. Scientific Reports.

Ny fahasimbana sy fihenan’ny toeram-ponenana ary ny loza voajanahary miverimberina dia samy ambana fantatra fa manova ny firafitra sy fiavaozan’ny rohivoahary isan-karazany ary manafaingana ny faharinganan’ny zava-mananaina, indrindra amin’ny ala tropikaly. Mbola tsy fantatra kosa anefa ny mety ho fiatraikan’ny fitambaran’ireo ambana roa ireo, indrindra amin’ireo karazam-biby madini-batana. Eto izahay dia nanadihady ny mety ho voka-dratsin’ny fahasimban’ny toeram-ponenana sy ny rivo-doza amin’ny firafitra sy fomba fiainan’ny biby mampinono madini-batana ao amin’ny ala mando anaty sy manodidina ny valan-java-boaharin’i Ranomafana Ifanadiana, atsimo atsinanan’i Madagasikara. Namandrika sy namotsotra ary nandrefy karazam-boalavo trandraka, voalavo, sy varika mpivoaka alina miisa 609 tamin’ny toerana efatra samihafa izahay tamin’ny taona 2021 hatramin’ny 2023, izay noelanelan’ny rivo-doza nahery vaika nisesy (mitondra tafio-drivotra > 250 km isan’ora). Nanisa sy nandrefy ireo zava-maniry tamin’ny faritra miisa 360 tamin’ireo toerana ireo ihany koa izahay mba hijerena ny firafitry ny tamba-java-maniry ao. Hita ary mifanampy ny voka-dratsin’ny fahasimban’ny toeram-ponenana sy ny rivo-doza amin’ireo karazam-biby ireo: mihena ny karazana sy ny isan’ny biby voafandrika ary ny lanjan’ny vatan’izy ireo aorian’ny rivo-doza fa miverina amin’ny laoniny kosa 4-5 volana aty aoriana. Navohitry ity fikarohana ity koa fa misy vokany samihafa isaky ny karazam-biby ny fahasimban’ny toeram-ponenana. Ireto voka-pikarohanay ireto izany dia mampiseho fa ny rivo-doza dia isan’ireo singa manampy mandrafitra ny fisiana, sy fiparitahana, ary ny haben’ny biby, raha toa ka mety hamela takaitra maharitra kokoa amin’ny biby ny fahasimban’ny toeram-ponenana, na dia afaka manova paikady hiainana manolana ireo fiovaovana ireo aza izy ireo. Manasongadina ihany koa izahay eto fa ilaina ny fanaraha-maso maharitra ireo karazam-biby tandindonin-doza any amin’ny toerana misy azy satria manampy amin’ny fahalalana izay mety ho fiovana eo amin’ny fomba fiainan’izy ireo izany no manafaingana ny fandraisana andraikitra hanatsarana ny fitandrovana lovain-jafy azy ireo.

Ramananjato et al. 2025. Biotropica.

Ny varika dia isan’ireo zava-mananaina mampiavaka an’i Madagasikara ary manintona mpikaroka sy mpizaha-tany maro isan-taona hitsidika ny nosy. Efa ho 120 taona lasa izay no niatomboka ny fikarohana mahakasika ny varika (“Lemurology”), ary tsy nitsahatra nitombo isa sy karazana ny voka-pikarohana momba azy ireo. Nokarohana, nosivanina, ary nofintinina eto ary ireo fiovana sy fivoarana teo amin’izany sehatra izany tamin’ny alalan’ny fizahana lahatsoratra siantifika mikasika ny varika tao amin’ny Web of Science (WoS) sy ireo rakitra sy gazety siantifika mifantoka manokana amin’i Madagasikara (MFJ; Lemur News, Malagasy Nature, sy Madagascar Conservation & Development). Hita tamin’izany ary fa ny fandinihana mivantana ireo varika any amin’ny toerana fonenany voajanahary no fomba fampiasa sy karazam-pikarohana ela indrindra nisy hanadihadihana ny momba azy ireo. Tamin’ny fotoana fanjanahan-tany izany no nanomboka ary mbola mitohy ankehitriny. Ny antsidy (Microcebus) sy ny akomba (Eulemur) no taranaka be mpanadihady indrindra ho an’ireo lahatsoratra tanatin’ny WoS ary ny sifaka (Propithecus) sy akomba kosa ho an’ireo tanatin’ny MFJ. Hatreto dia tsy mbola misy lahatsoratra voasoratra manontolo amin’ny fiteny Malagasy fa mbola amin’ny fiteny Anglisy sy Frantsay avokoa ny ankabeazan’ny lahatsoratra siantifika mikasika ny varika. Miamitombo kosa anefa ny isan’ireo lahatsoratra manana fintina amin’ny fiteny Malagasy. Mbola vitsy ireo mpikaroka Malagasy misongadina amin’ny sehatra iraisam-pirenena na dia hita ho mihamaro aza izy ireo no mitarika sy mamokatra lahatsoratra siantifika. Na dia mifanahatsahana aza ny isan’ny vehivavy sy lehilahy manao ”Lemurology” amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia mbola maro kokoa ireo lehilahy mamoaka voka-pikarohana siantifika mikasika izany raha ny eto Madagasikara manokana no jerena. Ao amin’ny Duke Lemur Center (Etazonia) no toerana be mpanao fikarohana indrindra mikasika ny varika eran-tany raha toa ka ny alan’i Kirindy sy Ranomafana no hifantohan’ny ankabeazan’ny fikarohana eto Madagasikara. Ireto voka-pikarohana ireto dia mampiseho fa tsy mitovy ny endriky ny fikarohana mikasika ny varika eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hita mihamaro ihany koa ireo ezaka hamporisihina ireo mpikaroka Malagasy hitarika tetikasa-pikarohana sy hamokatra lahatsotra siantifika ary handravonana ireo torohay mikasika ny varika. Na izany aza anefa dia tsapa ary hita taratra amin’ny fitandrovana azy ireo ny tsy fahampiana ara-pitaovana sy enti-manana ary fitantanana mangarahara hanatanterahana izany amin’ny tokony ho izy sy ho lovain-jafy tokoa. 

Gould et al. 2025. BMC Biology.

Isan’ny tanjona voalohan’ny fikarohana siantifika ny famokarana fomba sy vokatra afaka averina ampiasaina amin’ny fotoana, toerana, na rohivoahary hafa. Mazana nefa misy toetoetra tsy mampitovy azy foana ireto farany ka manova ny vokatra azo na dia manaraka ireo fenitra sy mason-tsivana mitovy aza. Anisan’ny mampiova ny voka-pikarohana azo ohatra ny habetsaky ny torohay voangona sy ny singa mety manova ny petra-kevitra na dia tranga sy tanjona mitovy aza no dinihana sy enjahana. Ny fisafidianan’ny mpikaroka ny statistika entiny mijery sy manadihady ny fiovaovan’ny tranga ihany koa dia manova ny voka-pikarohana azo noho izy ireo manana mason-tsivany mampiavaka azy. Hita fa nianitombo ny isan’ireo fikarohana nandinika io fahasamihafana eo amin’io safidy io, indrindra amin’ny sehatry ny fikarohana socialy. Andrana iray kosa no fantatra ho an’ny ekolojia nataon’ny mpikaroka maromaro. Eto ary izahay dia namerina ny nataon’ireto farany fa amin’ny sehatra lehibe kokoa. Niantso mpikaroka miisa 246 izay nizara tanaty vondrona 174 izahay hijerena ny fahasamihafan’ny statistika nampiasaina sy ny voka-pikarohana azo tamin’izany. Torohay mikasika ny isan’ny atody sy fitombona’ny zana-borona iray anstoina hoe Cyanistes caeruleus ary torohay mikasika ny fitandrovana ny karazan-kazo Eucalyptus no nampiasain’izy ireo tamin’izany. Voka-pikarohana miisa 141 mikasika ny vorona ary 85 mikasika ny Eucalyptus no nosongaina tamin’ireo noho izy ireo nahita valiny mifanakaiky amin’ny fanadihadihadiana efa natao teo aloha. Ho an’ny fikarohana mikasika ny vorona manokana, samy nahita fa mihena ny zana-borona velona rehefa maro ny atody miara-kotrehina sy zana-borona miara-taizana. Ho an’ny Eucalyptus kosa, ny ankamaroan’ny vondrona dia nahita hoe misy fiatraikany eo amin’ny fitsimohan’ny zana-kazo ny fisian’ny karazam-bozaka amin’ny toerana iray: ny andaniny nahita hoe misy fitomboan’ny fitsimohana rehefa betsaka ny karazam-bozaka, ary ny ankilany kosa nahita fihenan’ny fitsimohana. Misy koa ireo nahita hoe tsy misy fiatraikany amin’ny fitsimohan’ny Eucalyptus ny fisan’ireo karazam-bozaka ireo. Hita ary fa samihafa tokoa ny safidy ataon’ny mpikaroka na eo amin’ny singa ampiasaina amin’ny statistika izany na ny fomba ampiasaina azy. Noho izany, miankina amin’ny torohay, singa, sy statistika ampiasaina sy manavanana ny voka-pikarohana azo, ary miova araky ny safidin’ny mpikaroka ny fironana’izany ka tsara foana ny mitandrina rehefa mandika ireo voka-pikarohana. 

Ganzhorn et al. 2024. Land.

Azo hamoraina ny famerenana ny rohivoahary. Ny fambolena zava-maniry hanintonana ireo biby mpihinam-boa no tsotra indrindra amin’izany. Ny antony dia rehefa manantona azy ireny ireo biby ireo dia afaka manaparitaka mora kokoa ny vihin’ireo zava-maniry ireo ary mitondra vihin-java-maniry hafa tsy mbola hita eo. Mazàna nefa dia ireo karazan-kazo lehibe vatana sy vihy no tena tian’ireto biby mpihinam-boa ireto, izay tsy maniry raha tsy efa misy zava-maniry hafa afaka manalokaloka azy eo amin’ny toerana iray. Noho izany ny fanaparitahana vihy madinika avy amin’ny karazan-java-maniry toy ny bozaka, hazo madinika, sy vahy, izay mora maniry sy matetika haparitaky ny biby madini-batana no mety ho paikady hampiroborobo haingana ny famerenana ny rohivoahary iray. Ireto karazam-biby ireto anefa mazana dia tsy mora hita any amin’ny toerana misy azy ka tsy fantatra mazava ny fandraisany anjara amin’izany fanaparitahana vihy izany. Ny antsidy (taranaka Microcebus), izay milanja eo amin’ny 60 g eo, izay tsy hita raha tsy ao amin’ireo karazan’ala ao Madagasikara dia isan’ireo karazam-biby fantatra fa manaparitaka vihy madinika. Eto izahay dia mampiseho fa afaka manaparitaka ny vihin’ireo karazan-java-maniry fahita amin’ny toeram-pambolen-kazo sy ala voa miarina ny antsidy, izay mazàna ireo karazan-java-maniry ireo dia zara raha hanin’ireo biby mpihinam-boa lehibe vatana. Nahita koa izahay fa vihy avy amin’ny hazo madinika, vahy, sy ahitra manana vihy madinika (< 12 mm ny halavany) no tena betsaka haparitaky izy ireo amin’izany. Karazan-java-maniry mora maniry sy manamora ny fitomboan’ny zava-maniry hafa ihany koa ireo karazana ireo. Noho izany, manafaingana ny famerenana ny tamba-java-maniry eo amin’ny toerana misy azy ny antsidy satria sady mitondra aloka ho an’ireo zava-maniry mila izany ny fanaparitahana vihy ataon’izy ireo no mandemaka tsikelikely ny tany hitsimohana sy hitomboan’ny zava-maniry hafa ihany koa avy eo. Tsara noho izany ny manomboka ny fambolen-kazo amin’ireo karazan-java-maniry manintona ny antsidy mba hanamorana ny firoboroboan’ny tamba-java-maniry ary ny rohivoahary amin’ny fomba voajanahary sy tsy mandany enti-manana firy. Fanampin’izany, rehefa miamaro ireo karazam-biby mpihinam-boa tonga mihinana eny amin’ireny fambolena ireny, dia mitombo manaraka izay ihany koa ny isa sy karazan-java-maniry eo amin’izany toerana izany, ary miamalaky ny fiverenan’ny rohivoahary mirindra sy mamokatra, indrindra ireo karazan’ala.

Andriantsaralaza et al. 2024. Biotropica.

Misy ireo hazo manana voa sy vihy lehibe ka ireo biby lehibe ihany, izay efa lany tamingana amin’izao fotoana, no afaka manaparitaka ny vihin’izy ireo. Zava-dehibe ny fahafantaran’ny fomba hanaparitahan’ireo hazo ny vihin’ny mba hanomezana vahaolàna ho an’ny famerenana ny ala. Anisan’izany ohatra ny renala, fantatra amin’ny anarana siantifika hoe Adansonia grandidieri, baobaba tsy hita amin’ny toerana voajanahary raha tsy eto Madagasikaraka ihany. Mifandraika indrindra amin’ireo karazana voa tokony aparitaky ny biby lehibe izay efa lany tamingana teto Madagasikara ny voany noho izy ireo lehibe no sady misy hodiny mafy izay mety ho sarotra amin’ny ankabeazan’ny biby mpihinam-boa ankehitriny ny manokatra azy. Tsy fantatra anefa ny fahafahan’io karazan-kazo io mivelona raha tsy eo intsony ireo biby mpanaparitaka ny vihiny. Tsy fantatra mazava ihany koa ny anjara asan’ireo biby izay mbola misy ankehitriny amin’ny fanapariahana ireo vihin’ny renala. Nanao fikarohana mahakasika ireo fomba fanaparitahana vihy misy ankehitriny izay mety hanampy amin’ny fitsirian’io baobaba Malagasy io izahay tany Andranomena sy Andranopasy (faritra Menabe, andrefan’i Madagasikara). Nijery mivantana ireo biby mety hihinana ny voa sy hanaparitaka ny vihy izahay nandritra ny 71 andro ny volana Novambra 2021 ka hatramin’ny volana Febroary 2022. Nanatanteraka ihany koa andrana mahakasika ny fitsimohan’ny vihin-drenala ihany koa izahay. Ny valin’ny fikarohana dia naneho fa tsy nisy biby hita nikasika ireo voa sy vihy teny ambony hazo; fa ny karazam-boalavo antsoina amin’ny anarana siantifika hoe Eliurus myoxinus (na sokitralina) kosa no hita nikitika ny voa sy vihy teo amin’ny tany. Midika izany fa mety manana anjara asa amin’ny fanaparitaham-bihy io karazam-boalavo io. Hita ihany koa fa ambony ny tahan’ny fitsimohan’ireo vihy eo ambanin’ny foto-kazon-drenala fa rehefa avy mitsimoka ny vihy dia ambany ny taham-pahaveloman’ireo zana-kazo ireo. Ireto voka-pikarohana ireto dia mampiseho fa ny fanaparitahana vihin’ny renala lavitry ny fotony dia mety mampiakatra kokoa ny taham-pahavelomany ary mety handray anjara amin’ny fanaparitahan’ny vihy ireo biby kely tahaka ireo voalovo. Mila fikarohana hafa anefa izany mba ahitana marina ny anjara asan’izy ireo amin’ny fanaparitahana ny vihin’ny renala ka manampy azy amin’ny fahavelomany.

Ramananjato. 2024. Biotropica.

Manana anjara asa lehibe amin’ny fanaparitahana vihy ny biby ao amin’ny ala tropikaly. Manome voka-tsoa maro ho an’ireo tamba-java-maniry izy ireo, toy ny famindrana ny vihin’ireo karazan-java-maniry maro amin’ny toerana vaovao, fanamorana ny fitsimoky ny vihy, ary ny fiavaozan’ny ala. Ny ankabeazan’ny fikarohana hatreto nefa dia mampiseho fa ireo biby lehibe vatana sy mivelona amin’ny voankazo no tena mahomby, na dia fantatra aza fa mihinana karazam-boankazo ihany koa ireo karazam-biby hafa. Mbola vitsy noho izany ny fikarohana mahakasika ny fanaparitahana vihy ataon’ireo biby madini-batana, mpivoaka alina, sy mivelona amin’ny karazan-tsakafo maro. Ny fianakaviana Cheirogaleidae, izay mamondrona ireo karazana antsidy (Microcebus),matavirambo (Cheirogaleus), tsidy ala (Allocebus trichotis)tilitily (Mirza), sy tanta (Phaner)dia isan’ireo karazam-biby zara raha fantatra ny anjara asany amin’ny fanaparitahana vihy raha tsy voa tato ho ato. Anatin’ity lahatsoratra ity aho dia nisivana sy namintina ireo voka-pikarohana nanomboka ny taona 1971 katramin’ny 2022 mikasika ny fanaparitahana vihy sy fomba fisakafoan’ny Cheirogaleidae, izay misy taranaka dimy mizara ho karazana 40 ankehitriny. Hita ary fa afaka manaparitaka ny vihy madinika (< 15 mm) amin’ny toerana lavitra sy amin’ny ala miasimba izy ireo. Ny fitelemana sy fandevonan’izy ireo voankazo kosa dia mampalaky ny fitsimohan’ny vihy sy ny fitomboan’ny zana-kazo. Karazana antsidy sy matavirambo efatra ihany no mbola fantatra fa mahomby tsara amin’ny fanaparitahana vihy hatreto. Hita ihany koa fa mbola maro ireo torohay tsy fantatra mikasika ny karazan-tsakafo sy fomba fisakafoana ary ny fomba fiainan’ireo Cheirogaleidae ireo. Mendrika ho hadihadiana anefa ireo satria izay no hahitana ny anjara asa marin’izy ireo amin’ny fandrafetana sy fiavaozan’ny ala. Toy izany koa, manoloana ireo ny tandidona mihatra amin’ny ankamaroan’ny biby eto Madagasikara, heveriko fa paikady mety hahomby ny mikaroka ny fanaparitahana vihy noho izany mety hanampy amin’ny fahalalana bebe kokoa ny fifandraisan’izy ireo amin’ny zava-maniry ilainy, no mety hanamora ny fitandrovana azy ireo ihany koa.

Tonos et al. 2024. Biodiversity and Conservation.

Ny ankabeazan’ny zava-maniry amin’ny ala tropikaly maneran-tany dia miankina amin’ny biby mpihinam-boa amin’ny fanaparitahana vihy mba hitohizan’ny fiveloman’ny taranany. Na izany aza, tsy ny fanaparitahana vihy amin’ny alalan’ny biby (“zoochory”) irery ihany no fomba tokana hiankianan’ny karazana zava-maniry iray mba hiparitahany. Ity fikarohana nataonay ity dia nanadihady mahakasika ireo fomba isan-karazany entin’ny zava-maniry atao hoe “Canarium” aty amin’ny ala mandon’i Madagasikara (fantatra amin’ny anarana Malagasy hoe “ramy”). Hazo avo manana voa sy vihy lehibe izy io ary fantatra fa haparitaky ny karazana varika lehibe vatana sasany. Natao fikarohana tamin’izany (1) ny mety ho fiparitahan’ny vihiny amin’ny alalan’ny singa tsy manan’aina toy ny rivotra sy riaka entin’ny rivo-doza, (2) ireo karazana biby izay mety afaka mandray anjara amin’ny fanaparitahana vihy, ary (3) ny fahafahan’ireo singa ireo sy ny karazam-biby mpanaparika vihy ankoatran’ny varika manonitra ny anjara andraikitry ny varika izay efa tandindon’ny faharinganana anketriny. Ny vokatry ny fikarohana dia manaporofo fa afaka mandray anjara tsara amin’ny fanaparitahana ny vihin’ny ramy ny rivotra, ny riaka, ary ny karazana biby toy ny voalavo an’ala izay mitondra ireo vihy amin’ny toerana lavitry ny hazo niaviana. Kanefa, tsy dia mahomby amin’ny fitondrana ny vihy amin’ny toerana lavitra izy ireo raha oharina amin’ireo biby mpihinam-boa toy ny varika lehibe vatana. Ireo fomba fanaparitahana vihy ireo dia afaka manazava ny fitohizan’ny fiveloman’ny ramy na tsy misy varika mpanaparitaka vihy ary. Na izany aza nefa, ny tsy fisian’ny fanaparitahana vihy makany amin’ny toerana lavitra dia mety mbola hiteraka olana ho an’ilay zava-maniry amin’ny ho avy, satria manakana ny fahafahany manjanaka toeram-ponenana vaovao sy miala ny fiovaovan’ny tontolo iainana izany. Ity voka-pikarohana ity dia nampiseho antsika ny fomba fahaveloman’ny zava-maniry sasany tsy manana mpanaparitaka vihy amin’ny faritra misy azy, izay misy fiatraikany lehibe amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana raha toa ka mitohy ny faharinganan’ny biby.

Ramananjato & Blanco. 2024. Lemurs News.

Ity lahatsoratra ity dia miresaka ny fomba fijerin’ny mpikaroka roa samihafa ny fivoarana sy fandehan’ny fikarohana ao Madagasikara, ary mampiseho fa maro ny lafin-javatra mila jerena sy hatsaraina mba hitondra tombony ho an’ny rehetra izany. Madagasikara dia isan’ireo firenena malaza amin’ny harena voajanarahy ao aminy izay maro no tsy hita n’aiza n’aiza ary ihany koa fonenan’olona maro manana ny fombany sy ny kolotsainy. Matetika voakiana mafy ireo olona miaina eny akaikin’ireo valan-java-boahary sy rohivoahary ary tontolo mila arovana sy hitoeran’ny ankabeazan’ny fikarohana amin’ny hay zava-boaharay ka lasa voamay mampitombo ireo disadisa eo anelanelan’izy ireo sy ireo mpisehatra amin’ny fitandrovana samihafa. Voalohany, mpikaroka vahiny iray mitantara ny zava-misy tamin’ny fidinana ifotony nataony, izay manasongadina fa tsy voatery hazava amin’ireo olona miara-miasa aminy foana ny antony hanaovany fikarohana sy andehanany any amin’ny toerana lavitra. Avy eo dia mpianatra mpikaroka Malagasy iray no mizara ny fahitany ny fandraisana andraikitra sy fiatraikan’ny asa fikarohana amin’ireo karazan’olona maro misehatra amin’izany, indrindra ireo eny ifotony. Manome soso-kevitra vitsivitsy amin’ireo zavatra tokony hitandremana sy tsara ho atao rehefa mitarika tetikasa-pikarohana, na vahiny na Malagasy, ary rehefa miara-miasa amin’ny mpikaroka zana-tany sy ireo olona eny ifotony, izay matetika mahalala betsaka kokoa ny toe-java-misy. Na dia hevitra sy fomba fijery avy aminay manokana mikasika ny atao hoe fikarohana sy mpikaroka ary ny anjara asany, dia hinoanay fa ampy entin’ny rehetra mandinika ny azony atao mba hitondra voka-tsoa ho an’ny rehetra tokoa izany, indrindra amin’iza fotoana fanasongadinana ny anjara asan’ny fiaraha-monina samihafa amin’ny fitandrovana ny zony sy harena voajanahary. Heverinay ihany koa fa ampy hanokafana resaka mazava amin’ny andrikitry ny tsirairay amin’izany fitandrovana izany koa ity lahatsoratra ity, ka mba hiara-hitady vahaolana sy marimaritra iraisana tsy mahafaty antoka ny olona sy ny harena voajanahary izany.

Mouse Lemur Project Team 2022 (c) Veronarindra Ramananjato

Schüßler et al. 2023. American Journal of Biological Anthropology.

Ny habe sy endriky ny biby dia singa ampiasaina amin’ny sehatra maron’ny hay zava-boahary; ohatra ny famaritana karazan-jaza-manananaina, fomba fiainan’izy ireo, ary ny tantaran’ny fivoaran’izy ireo hatramin’izay katramin’izao. Matetika ny mpikaroka dia mampiasa haitoro lehibe sy maro dia maro hamaliana ny fanontaniana amin’ireo sehatra ireo, izay tsy nitsaha-nitombo ihany koa nohon’ny fisian’ireo fandrosoana teknolojika samihafa. Mazana nefa dia avy amin’ny mpikaroka maro tsy mitovy fomba fitazomana sy fikarakarana ireo haitoro ireo ka mananosarotra ny manambatra azy ireo no mety hiteraka fitongilanana amin’ny valim-panontaniana tadiavina izany. Eto ary izahay dia manolotra fomba fisivanana iray hanambarana sy hanadiovana ary hisivanana ireo haitoro mikasika ny habe sy endriky ny biby mba hanamorana ny fikirakirana izany ary hampihenana ireo mety fitongilanana samihafa. Singa 13 amin’ny habe sy endriky ny karazan’antsidy (Microcebus; fianaviana: Cheirogaleidae) miisa 25, izay avy amin’ny toerana 153 samihafa no nanandramanay izany fomba enti-manao izany. Ity farany dia misavana tsikelikely ireo haitoro samihafa, manala ireo refy isan-karazany miavaka loatra amin’ny ankabeazan’ny salan’isa, izay mampitombo ny fahadiovana sy kalitaon’ny haitoro ka manamora ny fampiasana azy. Ny fahasamihafana eo amin’ny fandrefesan’ny mpikaroka ireo antsidy no nahenan’ity fomba fisivanana vaovao ity indrindra. Ilay haitoro madio azo teto avy eo dia nentina nijerena raha mihatra amin’ny antsidy ireo lalana samihafa mikasika ny haben’ny biby: lalanan’i Rensch, lalanan’i Allen, ary lalanan’i Bergmann. Na dia hita aza fa lehibe vatana kokoa ny antsidy vavy mitaha amin’ny antsidy lahy dia tsy miavaka mazava ny toetoetra mampiavaka azy ireo; izany hoe tsy mihatra amin’ny antsidy ny lalanan’i Rensch. Ny fiovan’ny halavan’ny rambo kosa dia mampiseho fa mihatra amin’ny antsidy ny lalanan’i Allen, fa mifanohitra amin’ny lalanan’i Bergman kosa ny haben’ny antsidy. Ireto voka-pikarohana ireto dia mampiseho fa afaka ampiasaina tsara ny manambatra ireo haitoro samihafa avy amin’ny mpikaroka maro be hijerena ireo karazana lalana samihafa mifehy ny fomba fiaina sy fivoaran’ny biby. Raha mikasika ny antsidy manokana kosa dia nahafahanay nanamafy ireo toetoetra hiavahany amin’ny biby hafa ity vokatra ity. Heverinay noho izany fa fomba fisivanana matanjaka sy mahomby ary malaky hanambarana sy hanadiovana haitoro maro ity fomba fisivanana natolotray ity, ary tsy ho an’ny antsidy ihany fa ho an’ny karazan-java-mananaina hafa koa.

Lalanan’i Rensch: rehefa ny lahy no lehibe vatana noho ny vavy dia voamay mitombo ireo toetoetra mampiavaka ny lahy sy ny vavy, ary mihena kosa ireo toetoetra ireo rehefa ny vavy no lehibe vatana noho ny lahy.

Lalanan’i Allen: fohy sy mafonja ny ratsam-batan’ny biby miaina amin’ny tany mangatsiaka, ary lava sy manify manify kokoa ny ratsam-batana any amin’ny tany mafana.

Lalanan’i Bergmann: lehibe vatana sy mavesatra ny biby any amin’ny tany mangatsiaka, ary madini-batana sy maivana ny biby any amin’ny tany mafana.

Raoelinjanakolona et al. 2023. Biological Conservation.

Maro ireo ambana mihatra amin’ny harena voajanahary ary anisan’ny fivakivakin’ny toeram-ponenana, izay manapaka ny fifandraisan’ireo karazan-javamananaina ao aminy ary mamparefo ireo rohivoahary. Anisan’ireo fifandraisana matetika rava anatin’ny toeram-ponenana miasimba sy vakivaky ny fifampiankinan’ny biby sy zava-maniry, toy ny fihinanam-boa sy fanaraparitahana vihy. Mba hijerena ary hoe inona sy hatraiza ny mety fahasimbana hita amin’io fifampiankinana io, dia nampitaha ny fifandraisan’ny biby mpihinam-boa sy ireo zava-maniry samihafa eny amin’ny sisin’ala sy atiala izahay. Ny fifampiakinan’ny karazam-barika sy vorona mpihinam-boa sy karazan-kazo miisa 40 no tena nifantohanay nandritran’ny 30 volana. Hita tamin’izany ary fa na dia samy tsy dia mifampiankina firy aza ireo biby sy hazo ireo, izany hoe vitsy ireo zava-maniry miankina amin’ny karazam-biby iray ho an’ny fanaparitahana ny vihiny ary tsy miankina amin’ny karazan-java-maniry vitsy ny biby iray ho an’ny sakafony. Na izany aza nefa hita fa betsaka kokoa ireo biby sy zava-maniry mifampiankina kokoa aty amin’ny sisin’ala noho ireo amin’ny atiala, izany izay mifandray aminy matetika no hiankinany bebe kokoa. Ny habetsaky ny voankazo amin’ny hazo iray, ny havesatry ny voankazo, ary ny lokon’ny voankazo no hita teto fa mahatonga ireo fifampiankinana ireo. Rehefa nanao sary fanandramana manala karazam-biby na karazan-kazo iray na maromaro ao amin’ireo fifampiankinana ireo ary izahay dia nahita fa mora rava ny fifandraisan’ny biby sy zava-maniry, ary haingana kokoa ny fitrangan’izany any amin’ny sisin’ala nohon’ny amin’ny atiala. Izany hoe marefo kokoa y fifandraisan’ny biby sy zava-maniry any amin’ny sisin’ala. Anisan’ny nahatalanjona anay ihany koa dia rehefa ireo biby madini-batana no esorina voalohany ao amin’ny fifampiankinana misy azy, dia marefo kokoa ity farany raha mitaha amin’ny fanalana ny biby lehibe vatana, izay heverina matetika fa mihinana sy manaparitaka vihy betsaka amin’ny toerana lavitra. Ireto voka-pikarohanay ireto izany dia midika fa mila tandrovina kokoa ireo biby sy zava-maniry amin’ny sisin’ala mba tsy haharava ny fifandraisan’izy ireo sy ny fiavaozan’ny ala ary hanenana ny fahalanina tamingan’ireo karazan-java-manananaina.

Ramananjato et al. 2022. Ecology and Evolution.

Zava-dehibe ho an’ny biby mampinono ny toerana fatoriana izay miaro azy amin’ireo mpihaza azy sy miantoka ny fahaveloman’izy ireo izany, indrindra manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Noeritreretina sy voalaza fa tsy mampiasa afa-tsy fatoriana voajanahary anaty hazo ny Antsidy (taranaka: Microcebus; foko: Primates) eto Madagasikara. Eto kosa izahay dia mitatitra tranga sambany nisy nahita: Antsidy matory ao anaty lavaka tsy dia lalina amin’ny tany voasarona vatakazo. Tamin’ny alalan’ny onjam-peo fanarahana azy ireo no nahitanay izany. Eritreretinay fa ity fampiasana lavaka amin’ny tany ity dia paikady entin’ny Antsidy hiarovan-tena amin’ny hatsiaka, indrindra manoloana ny fiovana tampoka eo amin’ny firafitry ny toeram-ponenany.

Fintina an-tsarin’ny lahatsoratra nataon’i Finaritra Randimbiarison.

Razafindratsima et al. 2022.

Ity lahatsoratra ity dia manazava izahay ny maha-zava-dehibe ny fanaparitahana vihy ataon’ireo karazam-biby ao anatin’ny alan’i Madagasikara. Rehefa mihinana ireo karazam-boankazo ao moa izy ireo dia mitondra ireo vihy amin’ny toerana andehanan’izy ireo ka manitatra ny toeram-ponenan’ireo karazan-java-maniry no mampalaky ny fitsimohan’ny vihy ary fitomboan’ny zana-kazo, izay mahatonga ny ala miavao hatrany. Mampiseho ihany koa izahay eto fa ny varika no anjara toerana lehibe indrindra amin’izany fanaparitahana vihy izany na dia mandray anjara amin’izany daholo aza ireo biby manana hazon-damosina hafa, na zana-tany na tsia. Ny bibikely toy ny vitsika sy ireo karazam-boana ihany koa dia afaka manaparitaka ireo vihy izay efa milatsaka amin’ny tany ary mitondra voka-tsoa ho an’ireo zava-maniry toy ireo biby misy hazon-damosina ihany koa. Anisan’ny mivohitra ato amin’ity lahatsoratra ity koa ny tsy fifanidrian’ny haben’ny voankazo sy ny biby mety hanaparitaka ny vihin’izy ireo. Anisan’izany ohatra ireo karazan-drenala na baobab izay heverina fa ireo varika sy vorona lehibe efa lany tamingana no nihinana ny voankazony sy nanaparitaka ny vihiny. Farany, ny fahalalana ny anjara asan’ireo biby samihafa amin’ny fanaparitahana vihy dia afaka manampy bebe kokoa amin’ny fahafantarana ny karazan-kazo tsara hambolena mba hampiroborobo ny famerenana maharitra ny ala sy ireo karazan-drohivoahary samihafa.

Ireo karazana fanaparitahana vihy mety ataon’ny biby. Sary fanehoana nataon’i Finaritra Randimbiarison.

Twining-Ward et al. 2022. Folia Primatologica.

Hatramin’izay dia nampifandraisaina tamin’ny enti-manana ny fananana aterineto. Tao anatin’izay taona maromaro lasa izay nefa dia nitombo ny isan’ny olona afaka mampiasa aterineto any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, indrindra ireo firenenan misy gidro. Tahaky izay ihany koa, nitombo ny zava-bitan’ny finday avo lenta sy isan’ny olona afaka mampiasa azy eran-tany. Rariny ary noho izany raha hampidirina ho isan’ny fitaovana sy entina mampiroborobo sy mampahomby ny fitandrovana ny gidro izany fandrosoana teknolojika izany. Eto ary izahay dia nanombana ny mety ho anjara asan’ny tambazotran-tserasera amin’ny fitandrovana ny gidro any amin’ny firenena 11. Nanadihady ny fampiasan’ny olona 381 monina eny amin’ny toerana misy tetikasa-pikarohana mifandraika amin’ny gidro izahay mikasika ny fampiasan’izy ireo aterineto, finday avo lenta, sy tambazotran-tserasera. Hita tamin’izany ary fa ny  91% amin’ireo olona ireo dia manana kaonty amin’ny tambazotran-tserasera iray farafahakeliny, ary 95 amin’izy ireo dia mijery an’izay mitranga ao isan’andro. Manodidina ny 453 isan’olona eo no olona mety mahita sy mifanerasera amin’ny kaonty iray raha atao bango tokana ireo karazan-tambazotran-tserasera rehetra, ary midina ho 300 isan’olona kosa izany rehefa ny tambazotran-tserasera manavanana azy ireo no jerena. Hita ihany koa fa ireo olona miasa amin’ny tetikasa-pikarohana mikasika ny fitandrovana ny gidro dia manam-piniavana ny hizara sy hampafantatra ny asan’izy ireo no manasongadina ny karazan’ny haitoro mety ho azo ampiasana hanatsarana ny fahazoan’ny daholobe ny maha-zava-dehibe ireo biby ireo. Mazava ary izany fa fitaovana mahomby nefa mora sady mahatakatra olona maro ny fampiasana ny tambazotran-tserasera sy aterineto mba hampiroboroboana ny fampahalalana ny harena voajanahary sy ny ilana azy ary hampitomboana ny fandraisana andraikitry ireo olom-pirenena tsirairay izany. Noho izany dia mamporisika ireo fikambanana sy olona misehatra amin’ny fitandrovana ny harena voajanahary izahay hampiasa ny tambazotran-tserasera samihafa hampitana ireo hafatra samihafa hampahomby ny asan’izy ireo sy hanena ireo mety tsy fifankazoan-dresaka amin’ny antom-pisian’izy ireo, sy hampiroborobo ny fiaraha-mitantana ireo toeram-ponenana sy tontolo mila arovana ireo.

Martin et al. 2021. Madagascar Conservation and Development

Ity lahatsoratra ity dia maneho sy manasongadina ireo fanamby, sakatsakana, ary fandraisana andraikitra amin’ny fampitomboana sy fitazomanana ny vehivavy ao amin’ny sehatry ny STEM (Siansa, Teknolojia, Injeniora, ary Matematika). Niainga tamin’ny lalana nodiavinay manokana amin’ny maha-vehivavy siantifika Malagasy izahay, izay nohateveninay tamin’ny feon’ireo vehivavy 60 hafa misehatra amin’ny STEM namaly ny fitsapan-kevitra nozarainay tamin’ny tambazotran-tserasera samihafa. Nasongadinay tamin’izany fa ny fomba nenti-paharazana sy kolotsaina latsa-paka izay mametraka ny vehivavy ho ravaka sy mpikarakara no tokatrano ihany fotsiny no isan’ny antony lehibe manokana ny vehivavy hiroso na hijanona hisehatra amin’ny STEM. Mbola hatevenin’ny sakatsakana samihafa avy amin’ny fianakaviana sy ny tsy fahampiam-bola ihany koa io ka manosika ny ray aman-dreny sasany hamporisika ny zanaka lahy kokoa noho ny zanany vavy hanohy fianarana ambony. Farany, ny tsy fahampian’ny fifaneraseran’ny mpampianatra sy mpanabe amin’ny mpianatra dia mampitombo ny tsy fahazotoan’ny mpianatra hisehatra amin’ny STEM. Na dia aza nefa izany fanamby maro izany dia tsy mitsaha-mitombo ireo fandraisana andraikitra amin’ny ambara-tonga samihafa mba hialana tsikelikely amin’ireo sakatsakana ireo. Isan’izany ny fizarana famatsiam-bola madinika hanampiana ireo mpianatra hitarika fikarohana, atrikasa sy fandaharana hampafantarana ny mpianatra sy ray aman-dreny ny hilana sy hampiasana ny STEM ary ny anjara andraikitry ny vehivavy STEM amin’ny fampandrosoana, ary ny fampitomboana ny fifampiresahana eo amin’ny mpianatra sy ireo mpanabe amin’ny sehatra samihafa. Mba hampaharitra izany nefa dia tsara raha hitarina sy hampiarina eny anivon’ny sekoly mihitsy ireo fandraisana andraikitra ireo mba ho mafy orina sy hahalala dien’ny mbola kely ny lalana samihafa afaka hiseharana ny mpianatra Malagasy, indrindra ireo ankizy vavy mazana voakiana amin’ny safidiny.

Ramananjato & Razafindratsima. 2021. International Journal of Primatology.

Maro ireo biby miara-monina amin;ny toerana iray. Ny fahasamihafana sy habetsahana ary firaisa-monin’ireo gidro ao anaty ala dia mazàna voafehin’ny fananana toeram-ponenana tandrify izay mamaritra ny eram-piveloman’izy ireo. Ny fahasimbana sy fiavaozan’ny tamba-java-maniry dia mahatonga ny ala ho lasa tontolo iray misy karazam-toeram-ponenana maro, izay mety hanova ihany koa ny rafitry io toeram-ponenana tandrify io. Mba hamantarana ny rafitry ny toeram-ponenana tandrifin’ny antsidy mena (Microcebus rufus) dia nanao fikarohana mahakasika ny fahasamihafana sy haben’ireo hazo ary ny fisian’ny vahy amin’ny toerana 132 nahafandrihana sy 240 tsy nahafandrihana antsidy mena izahay. Nijery ihany koa ny mety fiovaovan’io rafitra io eo amin’ny tontolo iray misy karazana ala manana sokajim-pahasimbana samihafa. Ny toeram-ponenana tandrifin’ny M. rufus ary dia miavaka amin’ny fananany hazo madinika savaivo ary hazo iva sy salatsalany. Raha dinihina akaiky kokoa dia mampiasa matetika toeram-ponenana be hazo manana savaivo madinika sy salatsalany (savaivo 2.5–10 sm) tsy misy vahy izy ireo any amin’ny ala voajanahary; ary be hazo madini-tsavaivo (savaivo 2.5–4.9 sm) any amin’ireo karazana ala hafa. Raha ampitahaina amin’ny toeram-ponenana any amin’ny ala voajanahary kosa dia nahitana fitotonganan’ny isan’ny hazo misy vahy any amin’ny karazana ala hafa, ary miampy fidinan’ny savaivo izany any amin’ny ala savoka sy vakivakinala. Na dia afaka manararaotra miaina amin’io fiovan-drafitry ny toeram-ponenana tandrify io ary ny M. rufus manoloana ny fahasimbana, dia mety hampiharihary azy ireo amin’ny ambana hafa izany, izay mety hanahirana ny fikajiana azy ireo ho lovain-jafy. Ity voka-pikarohana ity dia mampiseho ny ilàna ny fandalinana ny fiovaovan’nyfapampiasan’ny gidro ny toeram-ponenana tandrifiny anaty tontolo voatsemban’olombelona, izay heverina fa hanatsara ny fikajiana lovain-jafin’ny ala sy fitantanana ireo gidro tandindomin-doza any amin’ny tontolo misy karazam-ponenana maro.

DeSisto et al. 2020. Biological Invasions.

Ny zava-manananaina mandrongatra dia ambana ho an’ny harena voajanahary noho izy ireo manimba sy manakorotana ny rohivoahary no mandringana ireo zava-manananaina zanatany. Zava-dehibe noho izany ny mamantatra ny fomba fiparitahan’izy ireo sy ireo mety ho fiatraikany amin’ny zava-manananaina hafa mba hifehezana ny fiparitahany sy hanatsaharana ny fitomboniny. Ny goavitsinahy (na goavy mena, Psidium cattleianum) dia isan’ireo zava-maniry mandrongatra amin’ny faritra tropikaly. Ho an’i Madagasikara manokana dia saika hita miparitaka amin’ny ala mando izy ity. Na izany aza anefa dia mbola tsy fantatra kosa ny fomba niparitahany sy ny fiatraikan’ny rohivoahary samihafa. Nijery sy nampitaha ireo goavitsinahy maniry amin’ny faritra maro tamin’ny atsinanan’ny nosy ary izahay, miaraka amin’ireo tamba-java-maniry sy karazam-biby manodidina azy. Hita ary fa 1) mora miparitaka amin’ny faritra ala efa miasimba, tsy be karazan-java-maniry, ary hazo madinika ny goavitsinahy; 2) manitona karazam-biby maro amin’ny faritra misy azy ihany koa izy ity; 3) ny varika mpivoaka atoandro no mpanaparitaka ny vihiny ao anaty ala sy ireo tontolo hafa manodidinaary manafaingana ny fitsimohan’ny vihy; ary 4) samihafa ny taranaka niavian’ireo goavitsinahy amin’ny faritra tsirairay. Ny voka-pikarohanay dia mampiseho fa mamano-sarotra ny fandringanana ny goavitsinahy ao Madagasikara noho izy hiankinan’ny biby samihafa no miankina amin’ireo biby ireo ihany koa ny fahavelomany na dia hita aza fa manimba ny firafitra sy fiavaozan’ny ala ny fisiany. Noho izany, mila paikady maharitra sy mifanandrify amin’ny toe-java-misy ary mpisehatra avy amin’ny taranja samihafa no hampahomby ny fandringanana ity zava-maniry mandrongatra ity.

Ramananjato et al. 2020. Biotropica.

Manan-danja lehibe eo amin’ny fanaparitahana vihy eo amin’ny rohivoahary an-tanety misy azy ny biby mpihinam-boa. Vitsy anefa ny fikarohana ifotony mahakasika ny anjara asan’ny biby mivelona amin’ny karazan-tsakafo maro eo amin’ny fanamorana ny fitsirin’ny vihy sy ny fitoeran‘ny zavamaniry eo amin’ny tontolo misy azy. Kanefa, mety hameno ny fahalalana sy fahazoana ny fiatraikan’ny fanapariahana vihy ataon’ny biby eo amin’ny fomba firafitra sy firindran’ny ala izany. Nandalina ny fanapariaham-bihy ataona karazana antsidy roa mpivoaka alina sy mivelona amin’ny karazan-tsakafo maro (Microcebus jollyae sy Microcebus rufus) ao anatin’ny ala mando Malagasy izahay. Izany dia natao tamin’ny alalan’ny fanangonana sy famantarana ireo karazan-java-maniry izay mety ho haparitany amin’ny alalan’ny tainy, ary ny fambolena ireo vihy voaangona ireo. Hita ary fa ireo antsidy roa ireo, izay anisan’ny varika kely indrindra eran-trany, dia manaparitaka vihy avy amina karazan-java-maniry 22 avy amin’ny ambaratongan’ala samihafa. Nitsimoka malaky kokoa ireo vihy avy amina kazaran-javamaniry valo tao anatin’ny tain’izy ireo raha mitaha amin’ireo vihy izay nalaina tao anatin’ny voankazo matoy. Nahitana vihin-java-maniry tsy zanatany ihany koa tao anatin’ny tain’ireo antsidy ireo, izay kely ihany (17%) raha mitaha amin’ny isan’ny karanzan-java-maniry zanatany voaisa. Ireto vokam-pikarohana ireto dia mampiseho sy manasongadina fa mpanaparitaka vihy mahomby ny biby mpivoaka alina sy mivelona amin’ny karazan-tsakafo maro; ary izany dia mety hitondra vokatsoa ho an’ny fihavoazan’ny ala sy ny fiazonana ny fahamaroan’ny kazan-java-maniry. Farany, manavao ny fahalalana momba ny fiatraikan’ny fitondran-tena sy fisakafoan’ireo karazam-biby ireo ity fikarohana ity, izay afaka ampiasaina ho amin’ny fiarovana azy ireo sy ny fikajiana ny tontolo misy azy eto Madagasikara.